kolontsaina

Fampisehoana “Feo tokana, gitara iray” Ho entina ao Munich, Alemanina


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Ny zoma 24 septambra izao no fotoana miaraka amin’i Eric Manana ao amin’ny Landsberger Straße 163, 80687 ao Munich. Taorian’ny hetsika “Feo roa,

 gitara roa” izay niarahany tamin’I Dama teto an-tanindrazana, araka izany, dia handeha irery amin’ny alalan’ny fampisehoana mitondra ny lohanteny hoe “Feo tokana, gitara tokana” izay ho entiny ao Alemanina indray ny tenany amin’io zoma io. Fampisehoana mandeha irery ary dia hitendreny samirery ny gitarany ihany koa mazava ho azy ka hirany ireo vazo nahafantarana azy hatramin’izay toy ny “Mbola ho avy”, “Mama”, “Izay ratranao dia feriko”, “Revirevinay taloha” sy ny hafa rehetra ity fotoana ity. Hitohy mandrak’alina amin’ny alalan’ny alim-pandihizana na “Soirée DJ’’ avy eo ny lanonana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT