kolontsaina

Fampisehoan'i Njila sy Poopy Mpanohana ofisialy ny Airtel


  • Zoma 31 Martsa 2017

Ny alahady 9 aprily ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora folakandro no hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay fampisehoana goavambe nampitondraina ny lohateny hoe : “Firaisankina”, tanterahin’i Njila sy Poopy.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taona niakaran’ny roa tonta an-tsehatra izany, izay efa misy fan’s club an’alin-kisa. Anisan’ny manohana ofisialy ity hetsika ity  ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar hahafahana manandratra avo ny talentan’ireto mpanakanto Malagasy efa fanta-daza ireto. Tsy mandalo fotsiny mantsy ilay lohateny  Firaisankina ho an’ny Airtel Madagascar fa tena mifanaraka amin’ny foto-kevitra izay  voizin’izy ireo. Mampanantena ny tarika Njila fa hanao izay ho afany amin’io daty io ary mihoatra lavitra noho izany amin’ny fitsingerinan’ny taona niakarany an-tsehatra. Ny Mah-ki Productions no mpikarakara ny lanonana izay marihina fa mpirevy Njila 100 %, toy izany koa i Poopy ilay mpanakanto vehivavy nivoaka avy tao anaty vondrona. Marihina fa ho avy ao koa i Anyah, Melky, Mahery ary Christian kely hanotrona azy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT