kolontsaina

Fampisehoan-dry AmbondronA Tafahaona ny tia sy ny manina !


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Fahombiazana ! Izay no azo ilazana ny fampisehoana nataon'ny tarika Ambondrona,

 

 omaly tetsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Tsy noho ny fahamaroan'ny olona ihany fa dia nizara ny mamy sy ny fifaliana ho an`ny mpankafy ny Tarika AmbondronA. Noporofoin-dry zalahy hatrany ny maha ngeza azy eo amin’ny tontolon’ny mozika. Tsy vitsy ireo tonga namaly ny antso satria ny alarobia mialoha ny andron`ny fampisehoana dia lany tanteraka  ny tapakila. Tafaray tokoa ny tia sy ny manina toy ny fihaonan`ny tarika amin`ny mpankafy azy hatramin`izay satria dia horakoraka hatrany ny an`ny mpankafy toa efa niandry fatratra ity taona ity. Seho nakotrokotroka nifanomezan-dry Kix sy ny ekipany tamin` ity famaranana ny taona 2019 ity. Hita hatrany fa mbola mafy ny fifamatorana eo amin`ny tarika sy ny mpankafy, izay hita feno fifaliana tanteraka, nanaraka tsy an-kiato ireo rehetra nentina an-tsehatra. Anisan`ny nankasitrahan`ny maro manokana, omaly, ny nitondrana an-tsehatra indray ireo hiran`ny tarika nampalaza azy tany am-piandohany. Niara-dalana tamin`ny famoahana ilay rakikira fahafito ny hetsika “Ho soa hatrany”ny fampisehoana. Amin`ny taona 2020 kosa vao hifamotoana amin`ny mpijery etsy amin`ny Coliseum Antsonjombe ny tarika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT