kolontsaina

Fampiroboroboana ny vita Malagasy Manosika ny tanora hatrany ny Eccova


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Fotoana fanarenana ny toe-karem-pirenena izao, indrindra taorian’ny nandalovan’ny krizy nateraky ny valanaretina Covid 19.

 

 

 

 Mandray anjara feno amin’izany ny Eccova, tarihin-dRazanamanalina Volana amin’ny alalan’ny asa fampianarana manjaitra hampiroboroboana ny vita Malagasy. Manofana ny tanora Malagasy marobe isan-taona izy ireo mba handresen-dahatra ny mpiara-belona hanjifa ny vita Malagasy fa tsy ho variana na ho lany vola amin’ny fividianana friperie foana na ny fanafarana entana avy any ivelany. Mpianatra miisa 540 mianadahy indray no niatrika fanadim-panjakana tao amin’izy ireo izay nifarana omaly. Samy manam-piniavana ny hanandratra avo ny vita Malagasy no sady hampiroborobo ny fananan’asa eto amintsika izy ireo izay mety afaka hampiasa olon-kafa maromaro rehefa tena mety ny hatao. Mbola mitohy ny fanofanana ho an’ny Eccova. Mitohy amin’ity volana septambra ity ohatra ilay fahazoan’ny mpianatra milina hahafahany manjaitra any an-trano ho an’ireo misafidy ny “cours accéleré”. Hitohy hatramin’ny volana Oktobra izany ary manan-kery manerana ny Nosy raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana, filoha tale jeneraliny. Ny 02, 03, ary 07 novambra ho avy izao kosa ny fidirana amim-pomba ôfisialy.

Pati

Legende : Mikatsaka ny mahasoa hatrany Razanamanalina Volana, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Eccova

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT