kolontsaina

Fampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina Hanampy antsika ireo parlemantera miteny Frantsay


  • Alarobia 09 Mey 2018

Vonona ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina eto amintsika ny fianakaviam-ben’ny frankofonia amin’ny alalan’ireo parlemantera.

Nosokafana nanomboka omaly tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ny seminera mifandraika amin’izany ka nambaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max fa anisan’ny firenena manan-karena kolontsaina isika Malagasy saingy  ny fanatsarana sy ny fampiasana izany no tsy ampy. Manana andraikitra amin’izany izahay  parlementera hoy izy eny fa na dia tolo-tanana iadiana amin’ny tsy fahitan’ny tanora asa fotsiny aza. Anisan’ny  harena iray  tsy manam-pahataperana ny mikasika ny kanto eto amintsika hoy hatrany izy nanohy ny teniny ka  tsy maintsy tadiavina izay fomba hivelarany  hanjary  ho andry iray lehibe ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena. Marihina fa anisan’ny tonga eto an-tanindrazana mamaha izany  olantsika momba  tsy fahatomombanana eo amin’ny lafin’ny kolontsaina izany ireo  parlementera avy any Djibouti,  Comores ary Seychelles. Hifarana anio  ity fifanakalozana traikefa ity entina hanomezan-danja ilay fahasamihafana nefa hahazoam-bokatra betsaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • TARIKA
  • Alarobia 25 Novambra 2026

RATALATA-40 TAONA NIJOROANA

  • Teratany vahiny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

malaza

  • Tontolon'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

kabary

  • Samy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

tsy salama i Lego sy Bekoto

  • ROUGE 501
  • Talata 03 Novambra 2026

HATSANGANA AO TOAMASINA

  • kolontsaina
  • Talata 03 Novambra 2026

Manohy asa sosialy ny tarika Rabejean Miarinarivo

Hijery ny tohiny
FTT