kolontsaina

Fampiroboroboana ny nomerika Hiara-hiasa i Madagasikara sy Maraoka


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Nihaona tamin’ny ekipan’ny Minisitry ny fanovàna nomerika ary ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha Maraokanina na « Transition Numérique et de la Réforme de l'Administration » Rtoa Ghita Mezzour,

sy ny Delegasionina notarihan’ny Minisitry ny fanovàna sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra Atoa Tahina Razafindramalo, araka ny famoaham-baovaon’io Minisitera io omaly. Nifandinika sy nifanakalo hevitra maro, toy ny ny sehatra politika, ny andraikitra goavana izay sahanin’ny Ministera roa tonta ary ireo fahasarotana samihafa izay mety ho lalovana eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny nomerika fa ihany koa ny fitondrana ny fanovàna eo amin’izay lafiny izay. Anisan' ny fitaratra i Maraoka raha eo amin’ny fandrosoana ara-nomerika satria mahatratra 93% ny taham-pahafahana mampiasa aterneto, saingy fa tsy mifanaraka amin’izay ny tahan’ny fisitrahana raha eo amin’ny lafiny fikirakirana ny sampan-draharaha na ny “e-services administratifs”. Ahafahana manatsara izany anefa dia ilaina ny mitondra fanovàna indrindra ny fanatsarana ny fahaiza-manao ny mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny. Misedra olana toy izay ihany koa i Madagasikara indrindra eo amin’ny fampiofanana sy fanapariahana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra. Eo am-panatanterahina ny pai-kady hanatsarana izany ny andaniny sy ny ankilany amin’izao, hoy ny fampitam-baovao. Ny ahafahana manatanteraka fanavaozana ny fitantanan-draharaha dia amin’ny alalan’ny fifindràna mankany amin’ny nomerika ihany izay manamora ny fahafahan’ny mpisitraka mampiasa azy, hoy ny mpitondra tenin’ny MNDPT. Nifanaraka ny roa tonta nandritra ity fihaonana ity ny hanamafy ary hanohy ny dinika izay natomboka tamin’izao ny fifanakalozana izao.


Nihaona tamin’ireo mpianatra Malagasy any Maraoka ireo delegasionina. Fotoana nahafahan’ireo mpianatra nizara ireo fahasahiranana sy ireo fepetra ananany hanohizan’izy ireo ny fiofanana sy ny fianarana izay tovoziny any an-toerana. Nomena fampiofanana ary namporisihina amin’ny sehatry ny fandraraharana izy ireo. Mpianatra roa no nanolotra ny tetik’asa WATERSKY ary ny nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana Hackathon izay teo amin’ny sehatry ny fizahan-tany. Tohanan’ny « incubateur » izay eo anivon’ny TECHNOPARK any Casablanca izy ireo ho an’ny fampivoarana ny vahaolan’ny sehatra virtoaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT