kolontsaina

Fampiroboroboana ny ankizy Manana ny andraikiny ny orinasa isan-tsokajiny


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy dia dingana lehibe amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara,

 

 
 Nomarihina ny fankalazana tetsy Antaninarenina ny talata alina lasa teo ka tao anatin’ny lahateny nataon’Atoa Michel Saint-Lot, solontena maharitry ny tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), eto amintsika, dia nilaza fa manana andraikitra feno amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy ny orinasa isan-karazany.ka ireo orinasa tsy miankina no tena niantefan’ny antso avo nataon’ny UNICEF tamin’ity indray mitoraka ity, satria marobe ny azon’izy ireny atao mba hampajariana ny zon’ny ankizy. Ny toe-draharahan'ny ankizy eto Madagasikara dia mijanona ho zava-tsarotra. Mbola miatrika fanamby amin'ny zon'izy ireo ny ankizy. Maro no tsy mbola manana fanamarinam-pahaterahana, fidirana an-tsekoly, tsy mahazo fitsaboana ampy ary mijaly amin'ny herisetra. Ny ankizy koa indraindray dia manimba fanapahan-kevitra momba azy ireo ary indrisy fa voatery manatanteraka ny fanirian'ny olon-dehibe. Nanamafy Atoa Michel Saint-Lot fa mila miova izany. Araka ny and. faha-31 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy  « Manan-jo hiala sasatra, hiala voly, hilalao ary izay rehetra mety ho fialam-boly manandrify ny taonany ny ankizy, ary koa mandray anjara malalaka amin’ny fiainana ara-kanto eo amin’ny fiarahamonina » izay nosintonina avy tamin’ny « Manan-jo hiala sasatra sy hiala voly ny olon-drehetra » izay andininy faha-24-n’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ary naravona manokana ho sahaza sy tandrify ny ankizy. Ny antom-pisian’ny fankalazana toy izao dia ny mba hisarihana ny sain’ny maro hifantoka manokana amin’ny anjara toerana omen’ny fiarahamonina Malagasy ireo ankizy.
 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT