kolontsaina

Fampirantiana zavakanto ankehitriny Handray anjara ny hiran’i Samoela


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Isan’ireo mpanakanto miisa 26 mandray anjara amin’ny hetsika fampirantiana mitondra ny lohanteny hoe “Ny fitiavanay, our love, notre amour” ny mpihira Samoela.

 Nandravaka ny fampahafantarana ity hetsika ara-javakanto hanomboka ny 9 oktobra ity tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka omaly ilay hirany mitondra ny lohanteny hoe “Tiavina”. Natao ho raisin’ny olona rehetra araka izay fahazoany azy ny zavakanto, hoy izy. Tsy kanto ny zavatra iray raha mitovy daholo ny fandraisan’ny olona azy. Ao anatin’ity hetsika ity I Samoela dia hitantara vanim-potoana iray hoe nitondra revy fotsiny teto. Revy vaovao sy hafa. Ny eto an-tanana izao ny manam-bola tsy misy revy. Ny misy revy tsy misy vola. Izay no mahatsara ilay hetsika toy itony mba hampisehoana ny olona hoe afaka manao zavatra hafa foana. Mifangaro ato daholo ny zavakanto rehetra ary tena mampanankarena ilay revy izany, hoy hatrany ny tenany teny amin’ity ivontoerana momba ny zavakanto ankehitriny na “arts contemporains” ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT