kolontsaina

Fampirantiana “La nouvelle main” Mpanakanto Malagasy vaovao miisa 4 no asongadina


  • Zoma 02 Septambra 2022

Manomboka rahampitso sabotsy 3 septambra 2022 dia azon’ny rehetra tsidihina etsy amin’ny Hakanto Contemporary

Ankadimbahoaka ny fampirantiana manaraka eo anivon’ity tranoben’ny zavakanto ankehitriny ity toy ny efa fanaony isan-telo volana. “La nouvelle main” na “Ilay tanàna vaovao”, izany indray no lohatenin’ireto rantin-javankanto manaraka ireto, hoy ny fanazavana. Araka izany anarany izany ihany koa dia tanana mpanakanto vaovao azo lazaina hoe vao misandratra sy tanora nefa efa manan-talenta mampitolagaga no tompon’ireo vokatra aranty. 4 mianadahy izy ireo no hasongadina ary malagasy avokoa ka ahitana an’I Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo, Sanka. Amin’ny ankapobeny dia fanehoana an-tsary ny sehatra rehetra misy eto Madagasikara sy ny tontolon’izany hatramin’izay ka hatramin’izao no fonosin’ireo zava-kanto ho hita ao. Eo ny resaka politika, sosialy, hanina ny fahazazana, fitantarana an-databatra ny fiainana teo anivon’ny fianakaviana sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana sy fampahafantarana izany omaly. Raha te ahita akaiky ny antsimpirihiny kosa dia tongava eny an-toerana, hoy ny mpikarakara.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT