kolontsaina

Fampihavanana ao Ambato Hikarakara hetsika ara-kolontsaina ny Hasin’ny Zazamanga


  • Alarobia 07 Jona 2023

Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy

izay hifanandrinan’i Rasoalalao Gabhy avy any Ampahimanga sy Rasoasomanga Berthine avy any Ambohimandroso izay atao ny 23 jona any amin’ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga. Hitohy ny 25 sy 26 jona ny hetsika, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Rakotondravao Sarobidy. Ho atao ao Antanetiben’ny Zazamanga izany ary iarahana amin’ny mpanakanto maro toa an’i Rojovola, José Satoub, Flash crew, Ramora Favori, Bolo pix ary mpanao vakodrazana maromaro izany. Tsy hisy vidim-pidirana hatrany ny hetsika ho fanomezana fahafaham-po ireo mponina. Manana kolontsaina mampiavaka azy ny maha firenena iray ary ezahanay haseho izany ankehitriny ao anatin’izao fetim-pirenena izao. Entina an-tsehatra ilay izy ary entina anaty fitondran-tena satria ny Malagasy dia nanana izany firaisankina sy fihavanana izany. Isan’ny ampihavanana ny mponina ao Ambato, izay faritra misy anay, io hetsika ara-kolontsaina ho atao io ary ho mariky ny firaisankina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT