kolontsaina

Fampandrosoana ny faritra Bara Manaitra ny fanjakana ny FITEBA


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Mbola lany soa aman-tsara ho filohan’ny firaisankinan’ny terak’Ibara indray Atoa Nakany Charlie.

Nisy ny fananganany  birao vaovao hitantana ny fikambanana taorian’izany izay nampahafantariny ny mpanao gazety tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary, omaly.  Nambarany  fa tokony hitodika hijery ny asa fampandrosoana any amin’ny faritr’i Bara iny amin’izay ny fitondram-panjakana. Lohalaharana amin’izany hoy izy ireo  ny fanomezana asa ny tanora. Tsy tokony ho eto Antananarivo irery no hananganana orinasa afaka haba, hoy ireo mpikambana eo anivon’ny birao  satria tsy Antananarivo irery no misy tanora Malagasy. Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana  izany ka mila vahaolana. Hisy moa ny symposium lehibe hotanterahin’ny Firaisankinan’ny terak’Ibara ato ho ato hahafahana mamantatra ireo karazan’olana rehetra sedrain’ny mponina ka voakasika avokoa ireo faritra rehetra mpikambana ao anatiny. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazana loharanon-karena mampiavaka ny faritr’i Bara hahafahana mampandroso ny firenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT