kolontsaina

Famoronan-kira eto Madagasikara Tsy ampy ny fitaovana hampiroboroboana azy


  • Zoma 14 Jona 2019

Anio alina no hanatanteraka seho miavaka nampitondraina ny lohateny hoe “Soavaly metaly” etsy amin’ny Plaza Ampefiloha ny tarika kalazan’ny Rock Malagasy, Kiaka.

 

 Hampiavaka ity seho ity ny fihainoana fotsiny ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay, izany hoe, tsy voatery hitsinjahana fa ny lafiny tononkira kokoa no tena natao hankafizina. Ilaina ny fametrahana ivontoerana lehibe natokana hampiroboroboana ny zava-kanto eto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha, Tantely Ravoanary. Manomboka mipetraka amin’ny toerany ny lanjan’ny famoronan-kira fa sakana ny tsy fahampian’ireo fitaovana hahafahana manasongadina ny asan’ireo mpanakanto, hoy ity mpandraharaha nisafidy ny hanohana ny tarika ity. Mila fifanomezan-tanan’ny rehetra ny fanandratana ny kolontsaina malagasy, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT