kolontsaina

Famoran-jaza Tsy ahitan-tory ny alim-pandihizana eny ambany tanàna


  • Talata 30 Aogositra 2022

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoana fanaovana famadihan-drazana sy famoran-jaza isika izao.

Ho an’ireo mbola mitana ny fomba amam-panao fahiny dia miaraka amin’ny fandaniambe hatrany izany ka anisan’ireny ny fanakarama mpitsoka mozika mampandihy eny an-dalana mitety tanana, izay hampiarahana amin’ny fanaovana akanjo mitovy. Ho an’ny famoran-jaza manokana dia fantatra fa mbola tena be mpisafidy ilay famorana mandeha ra, tondrahana rano mahery. Loloavina entina mandihindihy eny an-dalana ilay zaza mandritra izany ka ho antsika eto an-drenivohitra dia eny amin’iny faritra Ampasika sy Andohatapenaka iny no tena ahitana izany. Toraka izany koa ny eny Anosibe, Anosizato izay miteraka fitohanana goavana tokoa. Izay eo ihany fa anisan’ny tena mampitaraina ny rehetra ihany koa ilay alim-pandihizana tsy mijanona eny ambany tanana. Saika miaina sy miharitra izany isan-kalina ireo toerana nanaovana fanadihadiana, alim-pandihizana izay tsy mijanona raha tsy mandramaraina. Misy amin’izy ireny raha araka ny fanazavan’ny lehibem-pokontany iray no tsy mametraka fangatahana akory fa avy hatrany dia manapatapaka. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tokony hiainga eny amin’ny Fokontany ny fangatahana mikasika ireny alim-pandihizana izany, mandalo sy ny kaominina sy prefektiora indrindra fa ho an’ireo mandihindihy eny an-dalana miteraka fitohanana lavareny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT