kolontsaina

Famokarana horonantsary sy raki-peo Mitsangana ny Métatron Production


  • Talata 02 Oktobra 2018

Nampahafantarina teny Ankatso afak’omaly ny fitsanganan’ny tranom-pamokarana ara-tserasera “Metatron production” hisandrahaka amin’ny asa famokarana horonantsary sy raki-peo isan-karazany.

 

 

Nampahafantarina tamin’io fotoana io koa ny hidirany sahady eo amin’ny famokarana sarimihetsika izay iantsoany ny rehetra handray anjara amin’ny fifantenana mpilalao hatao ao amin’ny tranompokonolona ao Mahitsy RN4 ny 7 sy 8 oktobra izao. “Ireo tsy mbola nisehatra mihitsy no tena ilaina amin’io ary tsy anavahana sokajin-taona na fiaviana, ho famoahana ny tontolon’ny sarimihetsika”, araka ny fanazavan- dRafanolalaharisoa Nathy, mpiara-mitantana ny tranom-pamokarana. Efa misy kosa anefa ny fiaraha-miasany amin’ireo mpanakanto mpiangaly hira madinika toa an-dry Nhodas sy ny maro hafa izay mitana toerana ao anatin’ny horonantsarimihetsika hisantarana ny vokatra izao. Aim-baovao hoentin’ny Metatron Production eo amin’ny zavakanto mifandraika amin’ny fifandraisana sy ny serasera ary ny fialamboly koa, ankoatra io fandraisana mpilalao “zazavao” io, ny fanavaozana hapetrany eo amin’ny lafiny ara-teknika mikasika ny firaketana an-tsary sy ny fandraisam-peo ary ny famoronana tantara. “Ny zava-bitan’ireo zoky teo aloha hatrany no hatao lesona hoenti-manatsara”, hoy Rakotondranaly Maminiaina Johnny, tompomarika tamin’ity tetikasa ity. Nomarihiny rahateo fa niniana napetraka ivelan’ny renivohitra ny orinasa mba hanapariahana ny fahaiza-manao sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fisiany ho fampivelarana ny fampandrosoana amin’ny faritra tsy an-tanàn-dehibe.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT