kolontsaina

Famokarana horonantsary sy raki-peo Mitsangana ny Métatron Production


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Nampahafantarina teny ankatso afak’omaly ny fitsanganan’ny tranom-pamokarana ara-tserasera “Metatron production” izay hisandrahaka amin’ny asa famokarana horonantsary sy raki-peo isan-karazany.

 

Nampahafantarina tamin’io fotoana io koa ny hidirany sahady eo amin’ny famokarana sarimihetsika izay iantsoany ny rehetra handray anjara amin’ny fifantenana mpilalao izay hatao ao amin’ny tranompokonolona ao Mahitsy RN4 ny 7 sy 8 oktobra izao. “Ireo tsy mbola nisehatra mihitsy no tena ilaina amin’io ary tsy anavahana sokajin-taona na fihaviana, ho famahoahana ny tontolon’ny sarimihetsika”, araka ny fanazavan- dRafanolalaharisoa Nathy, mpiara-mitantana ny tranom-pamokarana. Efa misy kosa anefa fiaraha-miasany amin’ireo mpanakanto mpiangaly hira madinika toa an-dry Nhodas sy ny maro hafa izay mitana toerana ao anatin’ny horonantsarimihetsika hisantarana ny vokatra izao. Aim-baovao ho entin’ny Metatron Production eo amin’ny zavakanto mifandraika amin’ny fifandraisana sy ny serasera ary ny fialam-boly koa, ankoatra io fandraisana mpilalao “zazavao” io, ny fanavaozana hapetrany eo amin’ny lafiny ara-teknika mikasika ny firaketana an-tsary sy ny fandraisam-peo ary ny famoronana tantara. “Ny zavabitan’ireo zoky teo aloha hatrany no hatao lesona hoenti-manatsara”, hoy i Rakotondranaly maminiaina Johnny, tompomarika tamin’ity tetikasa ity. Nomarihiny rahateo fa niniana napetraka ivelan’ny renivohitra ny orinasa mba hanapariahana ny fahaiza-manao sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fisiany ho fampivelarana ny fampandrosoana amin’ny faritra tsy an-tanàn-dehibe.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT