kolontsaina

Famokarana horonantsary sy raki-peo Mihetsika ihany koa ny eny Mahitsy


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nampahafantarin’ireo tompon’andraikitra ao aminy teny Ankatso ny fitsanganan’ny tranom-pamokarana ara-tserasera “Metatron production”

 

 

 hisandrahaka amin’ny asa famokarana horonantsary sy raki-peo isan-karazany ka hisy ny fifantenana mpilalao hatao ao amin’ny tranompokonolona ao Mahitsy RN4 amin’ny alahady 7 sy alatsinainy 8 oktobra ho avy izao. “Ireo tsy mbola nisehatra mihitsy no tena ilaina amin’io ary tsy anavahana sokajin-taona na fiaviana, ho famoahana ny tontolon’ny sarimihetsika”, araka ny fanazavan-dRafanolalaharisoa Nathy, mpiara-mitantana ny tranom-pamokarana. Efa misy kosa anefa ny fiaraha-miasany amin’ireo mpanakanto mpiangaly hira madinika toa an-dry Nhodas sy ny maro hafa izay mitana toerana ao anatin’ny horonantsarimihetsika hisantarana ny vokatra izao. Aim-baovao hoentin’ny Metatron Production eo amin’ny zavakanto mifandraika amin’ny fifandraisana sy ny serasera ary ny fialamboly koa, ankoatra io fandraisana mpilalao “zazavao” io, ny fanavaozana hapetrany eo amin’ny lafiny ara-teknika mikasika ny firaketana an-tsary sy ny fandraisam-peo ary ny famoronana tantara. “Ny zava-bitan’ireo zoky teo aloha hatrany no hatao lesona hoenti-manatsara”, hoy Rakotondranaly Maminiaina Johnny, tompomarika amin’ity tetikasa ity. Nomarihiny rahateo fa niniana napetraka ivelan’ny renivohitra ny orinasa mba hanapariahana ny fahaiza-manao sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fisiany ho fampivelarana ny fampandrosoana amin’ny faritra tsy an-tanàn-dehibe.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT