kolontsaina

Fametrahana tsangambaton’ny firaisankina Saika nisy olana teny Analakely


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Saika nanondrana indray omaly ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fametrahana ny tsangambaton’ny Firaisan-kina notanterahin’ireo olobe avy amin’ny foko 18 mpikambana ao amin’ny Komity

 

Mpikarakara ny taona vaovao iraisan’ny Malagasy eto Madagasikara sy ny komity MAMAFI na Malagasy Mampiray Firenena. Saika nosakanan’izy ireo mantsy ny fametrahana ity tsangambato ity satria tsy nahazoana alalana avy amin’ny prefektioran’Antananarivo, hono, raha nanamafy ireo olobe fa nahazo alalana mazava avy amin’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo no sady nahazo tso-drano avy tamin’ny praiministra lehiben’ny governemanta ihany koa nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo hatramin’ny 11 ora alina, taorian’ny nankalazana ny taom-baovao Malagasy afaka omaly teny Ambohimanga. Somary gaga sy talanjona ihany araka izany ny rehetra nahita ireo mpitandro ny fiara tamina fiara 4x4 telo izay efa nihatrana niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana avokoa. Tsiahivina moa  fa tsangambato natao hampiray ny Malagasy rehetra izy io, nifanaovana dina, no sady tantara hapetraka ho an’ny taranaka ihany koa  raha araka ny fanazavan’Atoa Andriandrainarivo Josephin mpikambana ao amin’ny MAMAFI ka izay mivadika  amin’izany dia Andriamanitra sy ny hasin’ny tany no hitsara azy. Ilaina ny fananganana tsangambato tahaka izao hoy hatrany izy nanohy ny teniny hamerenana ny hasin’ny tany rehefa nandalo fotoana lava ny Malagasy  izay tsiahivina fa namonoana omby mihitsy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT