Famerenana amin'ny

laoniny ireo vakoka


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

Ravana ny "Colisée", averina ho kianjaben'i Mahamasina ny kianja Barea...

 

Tapaka izany aloha, raha ny didim-pitsarana nivoaka sy ny fampitam-baovao voaray omaly fa ho ravana ny "Colisée" na ilay nolazaina fa kianja masoandro nefa kolontsaina grika napetraky ny fitondrana teo aloha eo anilan'ny Rovan'Antananarivo, izay ao anatin'ny lapan'i Manjakamiadana. Ho averina amin'ny anarany hoe "Rovan'Antananarivo" koa io rova izay novain'ny filoham-pirenena teo aloha ho lasa hoe "Rovan'i Madagasikara" satria "Rovan'Antananarivo" no anarana naha vakoka ity toerana ity hatramin'izay. Ho esorina anaty lapa sy rova ihany koa izay tsy misy ifandraisany tamin'ny tantara rehetra ao. Kasaina haverina amin’ny anarany taloha hoe kianjan'i Mahamasina ihany koa ny Kianja Barea ankehitriny, raha ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nambarany fa famerenana ny hasiny sy ny tantaran’ity kianja ity no tanjon’izany fanapahan-kevitra izany. Efa eo an-dalam-panatanterahana ny tetikasa ny minisitera ary hisy ny fifampidinihana amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena mba hamitana ny dingana rehetra amin’ny fanovana anarana, hoy hatrany ny fanazavana mikasika izay famerenana amin'ny laoniny ireo vakoka izay.
Nangonin'i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT