kolontsaina

Famadihana ao Alasora Tsy azo atao intsony ny mampandihy razana eny an’arabe


  • Alarobia 31 Mey 2023

Tranga anisan’ny tena mbola mahabe resaka eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra rehefa miditra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka

izao ny fanaovana famadihan-drazana sy ny filanjalanjana razana eny amin’ny arabe entina mandihindihy. Tsy azo hatao intsony izany ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano manomboka amin’ity taona ity.
HIAROVANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Iaraha-mahalala hoy ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy fa mbola tsy foana ny areti-mandoza Coronavirus. Mbola misy hatrany izany hoy izy ka ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka dia tsy azon’ireo olona manana fasana ao Alasora hatao intsony ka mikasa ny hamadika ary hitondra ny razana any an-tanana ka handihindihy eny amin’ny arabe ny mitondra izany ivelan’ny fasana. Eo am-pasana ihany no tokony hofonosana ny razana hoy ny Ben’ny tanana. Fotoana fiparitahan’ireo karazana otrik’aretina avy ao am-pasana rahateo ny fotoana fisokafan’ny fasana tahaka ireny ka raha sanatria tsy tratran’ny corona ilay olona efa maty hoy izy dia aretina hafa mihitsy no mety hiparitaka toy ny aretin’ny taovam-pisefoana izay efa manomboka mahazo vahana sahady eto amintsika.
FANDRIAMPAHALEMANA
Ankoatra io resaka fitondrana razana mankany an-tanana io dia tsy manome alalana ireo olona mikasa ny hanao lanonana amin’ny alina intsony ihany koa ny kaominina ho fitandroana ny fandriampahalemana. Nambaran’ny Ben’ny tanana fa raha toa ka misy olona manao fetifety dia tsy maintsy mifarana amin’ny 09 ora alina izany. Manomboka amin’io ora io rahateo ny couvre feu ary tsy mifarana raha tsy amin’ny 04 ora maraina. Tsy maintsy mihidy amin’ny 09 ora alina toraka izany ihany koa ny bara sy ireo toerana fanaovana karaoke maro isan-tsokajiny. Ho an’ireo mponin’Alasora sendra tratra alina moa dia fantatra fa efa tapitra nozarain’ny Fokontany misy azy ilay karatra manga izy ireny mba hanavahana azy amin’ireo mpanao ratsy. Mikasika ireo mpanao biriky tonga miasa ao Alasora ary dia nanambara ny Ben’ny tanana fa tompon’antoka amin’izy ireny ny mpampiasa azy raha toa ka tsy manao fanambarana eny anivon’ny Fokontany sy ny zandarimariam-pirenena mikasika ny fahatongavany izy ireny.
Pati
Legende : Hentitra sy matotra ny fiaraha-miasan’ny Ben’ny tananan’Alasora sy ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena vaovao izay tonga hifanome tanana amin’ny kaominina.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT