kolontsaina

Fahatsiarovana an’i Johnny Hallyday Seho tsara lamina sy matihanina ny zoma ho avy izao


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Ny zoma ho avy izao no hotanterahina etsy amin`ny Dome RTA Ankorondrano ilay hetsika fahatsiarovana an`i Johnny Halliday, ilay andrarezina nitondra rivo-baovao teo amin`ny sehatra ny mozika frantsay. Hiavaka tokoa ny hetsika satria mialohan`ny fampisehoana dia hisy filaharana moto ``Harley Davidson`` marobe izay hiainga avy amin`ny Marais Masay izay hizotra any amin`ny Dome RTA.

 

 Ho hafakely ny ravaka sy ny firafitry ny endri-tsehatra. Hifandimby hiantsehatra amin`izany Stenny, Gothlieb, Eric Tselatra, Tosy, Koloina, Jacquis Randria ary Nathy (Lawrence) ka hiventy ireo hira ankafizin’ny maro ary hiara-hihira eny antsefany eny. Hafana ny seho ary ireo mpitendry ihany koa dia ireo matihanina avokoa izay ahitana an’i Tax Razafindrakoto ao amin’ny aponga maro anaka, Lanto Randrianatoandro sy Matthieu ao amin’ny vata maro hafitsoka,, Jack Thierry ao amin’ny gitara beso ary Deba no eo amin’ny gitara. Seho tsara lamina sy matihanina, izay no azo amintinana azy, hoy ny mpikarakara, Grace Corp sy RTA. Hifanesisesy ny hira maro nahafantarana an’i Johnny toa ny ``Que je t `aime``, ``Je te promets``, ``A l`infini``, ``Tennesee``… Marihana fa hisy ihany koa ny fitetezam-paritra ato ho ato ka anisan`izany Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga ka tsy ho very anjara ireo mpankafy Johnny Halliday manerana ny nosy.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT