kolontsaina

Fahamasinan’i Madagasikara Natao fitaovana politika fotsiny ?


  • Talata 26 Mey 2020

Heno matetika tao anatin’ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena ankehitriny,

 

 

 

indrindra, nanomboka namofompofona ny fivoahan’ny tambavy CVO ny hoe tany masina ity firenena ity na koa hoe firenena voafidy sy notahiana manokana. Isaky ny misy filazan-javatra heno ho mampisongadina an’i Madagasikara sy heverina ho manandratra azy ihany koa, indrindra, rehefa hafa firenena no milaza azy dia manamafy io maha tany masina ny eto io hatrany koa ireo tena misongadina na malaza amin’ny mpitondra malagasy. Rehefa mijery ny manjo ireo toerana tena heverina ho manan-kasina teo amin’ny tantara sy mbola ankalazaina amin’ny vava fa masina ankehitriny anefa dia mipetraka ny fanontaniana hoe natao fitaovana politika fotsiny ve ilay filazana fa masina ny tanindrazana nentina nilazana ny fahamasinan’ity Madagasikara ity? Saika nilaza daholo tsinona ireo mpisehatra momban’ireny heverina ho zava-masina ireny na mpandinika na mpikaroka na andriana na mpandala sy ny hafa rehetra fa fanotana fady no ataon’izao fitondrana izao amin’ny lapan’I Manjakamiadana, ohatra. Raha tena vonona ny hitandro izay fahamasinana izay tokoa ary ny mpitondra antsika, maninona ireny vakoka ireny no avelany zimbazimbaina? Adala ve ny Italianina no tsy mikitika intsony ny Coliseum any Raoma na dia efa rava tamin’ny fahagola aza? Adalan’ny egiptianina koa ve no tsy mikitika ny pyramide intsony na dia mahasarika ny maso aza iny haavony mahatratra 900 metatra rafetina bolongam-bato 1 taonina isanisany iny? Ny pyramide du Louvre ao Frantsa, ny Taj Mahal any Inde, ny Statut de la liberté ao Etazonia sy ny hafa rehetra dia ekena tokoa fa mety vakoka misy kolontsaina avy amin’ny firenen-kafa ivelan’ny toerana misy azy ireny saingy kolontsaina misy rohy ara-tantara vokatry ny fifanarahan’ireo firenena ireo tamin’izany fotoana, ohatra. Inona moa no rohy ara-tantara nisy teo amin’ny malagasy sy ny grika ary ny raomanina?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT