Anisan’ny tompon’andraikitra sy mpandrindra ny DGDIE tamin’ny andron’ny Filoha Zafy Albert ny tenako, saingy vitsy no nahalala izany, hoy Atoa Serge Zafimahova.
Nanomboka ny Aprily 1993 hatramin’ny faran’ny janoary 1996 ny tenako. Ramangasoavina, Rakotoarivony Gabriel, Razafimbelo no isan’ny niara-niasa sy namorona ny Antoko UNDD niaraka tamin’ny Profesora Zafy Albert. Tamin’ny androny no nankalazana tamin’ny fomba ofisialy ny alahamadibe. Ny nahatonga ny Rova may, dia resaka politika fanonganana ny Filoha Zafy Albert. Raha mijery ny tantara, tsy latsaky ny 60% ny vato azon’ny Herivelona tamin’ny Rova may. Rehefa may dia tsy nety nanome fanazavana ny Filoha Zafy Albert satria ohatran’ny fanadiovan-tena. Nangina foana izy na nangatahana fanazavana aza. Tany Ankadilalana ny kolonely iray ao amin’ny zandarimaria nanao ny fanadihadiana. Nisy olona maromaro tratra izay Malagasy sy Frantsay roa. Nitondra fiara “baché” nisy entana sasany avy ao amin’ny Rova niaraka tamina lasa, izay tratra dia nigadra. Fiarana orinasa karana nitondra ny entana tao amin'ny rova sy nitondra solika. Izay Filoham-pirenena taorian’ny Filoha Zafy Albert no namoaka ny olona nandoro ny Rova, hoy i Serge Zafimahova. Io fandorona ny Rova io dia no entina nanonganana ny fitondrana ka nilazana azy hoe izy tsy tia merina. Nisy olona iray tratra teo Ankadilalana nanapaka ny naha lehilahy azy rehefa norahonana fa hovonoina ny fianankaviana. Tsy nipoitra ny marina satria tsy navoaka nentina nanasoketana ny Filoha Zafy Albert. Nanaja ny fomban-drazana izy na taiza na taiza, ary fanasoketana no natao azy hoe tsy tia Merina, hoy i Serge Zafimahova.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.