kolontsaina

Faha 80 taonan’i Bessa Ho marihina ao Frantsa


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Ao amin'ny théâtre Longjumeau, 91 Essonne , Frantsa, ny 29 jona 2024 izao no fotoana

miaraka amin’i Bessa sy Lola. Ho marihina ao Frantsa, araka izany, amin’io fotoana io ny faha 80 taonan’i Bessa, mpanakanto, mpamoron-kira izay azo ambara ho filamatr’ireo mpanakanto malagasy nitety vanim-potoana maro niaraka tamin’ny vadiny, Lola. Vahinin’izy ireo manokana moa i Poopy sy Bodo, izay heverina ihany koa fa nisantatra ny tombontsoa tamin’ny kanto noforonin’izany Bessa izany. «Mivady ny fitia», «Harmonia», «Ilay inoako», «Toaka tapany», «Mpitaky hetra», maro dia maro ireo sangan’asan’izany mpanakanto izany, izay tsy hoe nirainy irery ihany fa nindramina na nomeny mpanakanto malagasy maro hafa ihany koa.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT