FAHA-60 TAONAN’NY FIMPIMA

Laobary an-dasy no hanamarihana ny ivon’ny fankalazana


  • Talata 13 Febroary 2024

Loabary andasy lehibe no entina hanamarihana ny ivon’ny fankalazana

ny faha-60 taonan’ny FIMPIMA na ny fikambanan’ny mpikabary Malagasy tarihin’ny filohany Randriamboavonjy Hanitra. Hiompana amina loha-hevitra maromaro izany. Ny hifanakalozana sy hifampizarana fahalalana momba ny kabary malagasy sy ny manodidina azy no tanjona. Manana olona manan-karem-pahalalana ny fikambanana, fahalalana tsy tokony hivalona fotsiny any an-tsaina fa hifampizarana sy hifanakalozana hahazoana mampiaka-danja hatrany ny kabary malagasy sy hampitomboan-kasina . Tsiahivina moa fa fikambanana mpikabary zokiny indrindra sy mivelatra manerana ny Nosy amin’ny firenena 16 isa maneran-tany ny FI.MPI.MA. Adidy tandrify azy ny mijoro ho mpitarika mandrakariva amin’ny fampiroboroboana sy fampitomboan-kasina hatrany ny kabary malagasy, ho ohatra tsara faka tahaka noho izy lahimatoa amin’ny teraky ny tantaran’ny kabary teto Anivoniriaka izy. Miaina ao anatin’ny vanim-potoana manome vahana fanarahan-davahana ny “mandeha ho azy” sy ny “faohany faohany” ary “tsy olana e” ny fiaraha-monina ankehitriny, ka hita fa toa zary lasa mpanara-drian-drano fotsiny amin’ny fanaovana rebikondry amin’ny kabary akoholahy fahavaratra ny maro. Amin’ny datin’ny 16 sy 17 Febroary ho avy izao moa no hanatanterahana izany eny amin’ny lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ka miisa 22 mianaka ireo hifanesy hanolotra vela-kevitra mandritra reo roa andro ireo. Olona avy amin’ny faritra samihafa eto amin’ny nosy izy ireo ary misy koa ireo any andafindriaka, izay hiditra mivantana amin’ny alalan’ny zoom. Ny datin’ny Alakamisy 15 Febroary kosa no hanaovana ny fankalazana ny ivony izay eo ambany fiahian’Andriamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny FIMPIMA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT