kolontsaina

Faha-50 taonan’ny Tarika Mahaleo Eny amin’ny Karibotel Manerinerina indray ny fotoana


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Tarika Mahaleo. Taorian’ny seho goavana sy raitra tetsy Antsahamanitra ny 07 novambra nasehon’i Bekoto sy Dama,

 akanga sisa nanamborana sy vato namelan-kafatra ho an’ny tarika, dia eny amin’ny Karibotel Manerinerina indray ny fotoanan’ny tarika amin’ny mpankafy ny sabotsy 27 novambra 2021 izao, ka hanomboka amin’ny 3 ora tolandro ny fampisehoana. Maneho ny fahavononany hizara ny soa sy ny tsara hatrany izy mirahalahy sy ireo mpanampy azy, hanamafy ny fihavanana tsy ho ravan’ny taona tao anatin’izay 50 taona izay. Efa azo jifaina ao amin’ny tranonkala www.ketrika.com ny karatra famandrihan-toerana sy ny karatra VIP ahafahana mianoka ity fampisehoan’ny tarika Mahaleo ity. Tanjona amin’ity famandriahan-toerana an-tranonkala ity ny fanalana fahasahiranana amin’ny alalan’ny teknolojia ho an’ireo mpankafy ka tsy mila mandrera-tena sy mandany fotoana dia milamina ny fahafahana misitraka ny fampisehoana.Ny ketrika.com moa dia efa havanana manokana amin’ny fivarotana tapakila an-tranokala, amin’ny fomba tsotra sy tsy mandany fotoana, isan’ireo orinasa Malagasy voalohany mivelatra amin’ny tontolo ara-barotra amin’ny alalan’ny tranonkala. Eo ny fisian’ny tsena lehibe an-tranonkala na ny “grande surface en ligne”, fa eo ihany koa ny fametrahana ny làlan-tsaina fanohanana ny kanto Malagasy. Tsy vao tamin’ny tarika Mahaleo no nanaovan’ny ketrika.com ity fivarotana tapakila ahafaha-misitraka sy mijery fampisehoana goavana ity fa efa fanaony, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny fampisehoan’ny tarika AmbondronA tetsy amin’ny Coliseum farany teo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT