kolontsaina

Faha-5 taonan’ny « VOX ANGELI » Hetsika maro no hotanterahina


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Hanasongadina ny maha izy azy amin'izay ny antoko mpihira Vox Angeli ao anatin'ny dimy taona ho avy.

 

 Notanterahina ny sabotsy teo ny  fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ho fanokafana ny fankalazana ny faha dimy  taona niorenan'ity antoko mpihira iray ity. Teny amin'ny chapelle Saint Michel Amparibe no nanatanterahana ny hetsika  izay nahavory olona marobe tokoa. Hetsika maro loha no entina hanamarihana izany, raha araka ny fanazavan-dRanaivo Tiavina Andriambololona, anisan'ireo tompon'andraikitra ao anatin'ny antoko mpihira. Anisan'ny akaiky indrindra ny hetsika hiarahan'izy ireo amin'ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar izay hotanterahina  amin'ny volana desambra ho avy izao. Toraka izany koa ny fiarahana amin'ireo taranak'i Jules Ramiarison raha tsy latsa-danja amin'ireo ny fanasongadinana ny antoko mpihira amin'ny lafiny rehetra. Raha tsiahivina ny tantara dia fikambanana tanora iray mivoy ny gadona klasika ny Vox Angeli. Avy amina fiangonana maro samihafa ireo tanora ireo no natambatry ny fankafizana sy ny fivoizana ity gadona iray ity izay marihina fa mivelatra amin'ireo karazan-kira maro samihafa. Ankehitriny efa tena lasa toy ny orinasa kely iray mihitsy ny Vox Angeli amin'ireo sampana misy ny mpikambana tsirairay avy. Miisa 25 mianadahy izy ireo ka misy ny mpitendry, mpihira izay mizara ho amina karazam-peo efatra.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT