kolontsaina

Faha-40 taonan’ny fikambanana Fizalotra Nosokafana ofisialy tamin’ny sabotsy 6 aprily teo


  • Talata 09 Aprily 2019

Ny filohan’ny Antenimiran-doholona, Rakotovao Rivo amin’ny maha-mpiavy ela niasana ka nahita soa maro tany Alaotra azy, no nasain’ny fikambanana Fizalaotra « Fikambanan’ny Zanaka Ampielezana teraka ALAOTRA » avy amin’ny distrika 3 : Andilamena,

 

 

 

 Amparafaravola ary Ambatondrazaka, ary tarihan’ny jeneraly Rabearivony Justin ankehitriny, nanokatra ofisialy ny fankalazan’ity fikambanana. Ity ny faha-40  taonany  teny amin’ny hotely Paon d’Or tamin’ny sabotsy 6 aprily teo. Nomarihan’Atoa Rivo Rakotovao tamin’izany fa tokony ho raisin’ny fikambanana Fizalaotra avokoa ireo olona te hitondra ny anjara birikina amin’ity fankalazana ity na dia tsy tena zanaka Alaotra tahaka azy aza. Teo amin’ny fandraisam-pitenena nataony kosa no nilazan’ny jeneraly Rabearivony izay efa filoha faha-5 nitantantana ny Fizalaotra fa raha niainga tany amin’ny fanaovana asasoa nanomboka  tamin’ny taona 1979 niforonany ary niitatra tany amin’ny fikarakarana « voyage organisé » ho an’ireo mpianatra terak’Alaotra nandranto fianarana taty Antananarivo sy fanampiana manokana azy ireo mihitsy teo amin’ny lafiny hahatafitany ny fanarana nataony  izany taty aoriana ary efa misandrahaka amin’ny ezaka ho fampandrosoana ny Faritra niaviana ankehitriny. Nambaran'ny filohan'ny komitim-pankalazana ny faha-40 taona kosa, Atoa Lalaharisaina Joel Valery, fa ny fanompoam-pivavahana ho tanterahina eny amin’ny Ekar Faravohitra ny faha-13 aprily 2019 izao ary ny fitsangatsanganana iombonana eny amin’ny Capucin Ambomalaza ny faha-27 aprily 2019 ary ny fidinana any an-tanindrazana hanatanteraka loabary an-dasy aorian’izay no fandaharam-potoana manaraka amin’ity fankalazana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT