Faha 35 taonan'ny Faribolana Sandratra

15 ireo hiatrika ny famaranana antsa tononkalo


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Andeha isika hamorona olona tahaka antsika" ! Io ny lohahevitra amin'ilay fifaninanana karakarain'ny Faribolana

Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha 35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin'ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin'ny fifaninanana andiany voalohany tetsy amin'ny CGM Analakely ny volana aogositra lasa teo. Miisa 26 te ho eo ireo mpandray anjara fa 15 ny tafakatra amin'ny dingana famaranana izay atao etsy amin'ny CGM Analakely, ny 28 septambra, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro. Tsy ao anaty Faribolana Sandratra ireo mpifaninana, saingy ny asa soratr'ireo mpiraifaribolana no masontsivana velomin'izy ireo, raha ny fanazavana. " Ho fampiroboroboana ny literatiora hatrany no tanjon'ny Faribolana Sandratra, manandratra ny teny malagasy ary misokatra amin'ny fiara-miasa hatrany izahay... " hoy i Narilala, poeta, anisan'ireo komity mpikarakara ity hetsika ity ao amin'ny Faribolana Sandratra. Mpitsara matihanina sy manana ny toerany eo amin'ny sehatry ny haisoratra no hitsara ireo mpifaninana. Hisy mpanakanto hanafana ny sehatra, toa an-dry Serge Groupe. Eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny kolontsaina moa ity hetsika ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT