Faha 20 taonan’ny Gadhona Artistika

Hisy seho an-tsehatra goavana eny amin’ny CC ESCA


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Fiaraha-niombom-bavaka notanterahina teny amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka ny

sabotsy 2 aogositra lasa teo no nanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny Gadhona Artistika, tarika mitory ny filazantsara an-kira amin’ny karazana gadona maroloko. Tsy hatao hiserana fotsiny ity fotoana ity fa hisy ihany koa seho an-tsehatra goavana hotanterahina ao amin’ny CC ESCA Antanimena ny alahady 19 oktobra 2025, hoy ny fanazavàna. Ny Mpitory no vahiny nasaina ifanontrona amin’izany. Hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny rakikira fahaenina. Natao mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izany. Araka ny fanazavan-dRakotoarijaona Julien, manajera sy mpamoron-kiran’ny tarika dia tsy mifidy anaram-piangonana hanaovana asa fitoriana izy ireo fa rehefa tsy mifanohitra amin’ny foto-pinoana nampianarana sy nanabeazana azy ireo dia mety foana ny fiaraha-miasa. Tarika teraka tao amin’ny Fjkm Ambohidroa Antehiroka ny Gadhona Artistika ka izay no antony nanaovana ny fiaraha-miombom-bavaka teny an-toerana. Gospel no niatombohany fa taty aoriana nanao ny gadona rehetra. Anisan’ny angady nanana tamin’ny fananganana izany i Pasitera Barijaona. Hira no tena betsaka amin’ny kanto izay hataon’ny tarika kanefa havanana amin’ny fanaovana «Comédie musical» na tantara an-kira ihany koa. Misehatra amin’ny fanentanana fety aman-danonana maro samihafa koa ny tarika, noho ny ankamaroan’ireo mpikambana efa matihanina amin’izany. Manao asa sosialy ihany koa ny tarika toy ny fiaraha-miasa efa misy amin’ny akany fitaizàna zaza kamboty eny Tangaina Ampitatafika, hoy hatrany i Julien Rakotoarijaona.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT