Fahombiazana no azo ilazana ny seho
nataon’ny Gadhona Artistika omaly tolakandro tetsy amin’ny ESCA Antanimena ho fanamarihana ny faha 20 taona nijoroan’ny tarika nikatrohana teo amin’ny fitoriana an-kira ny filazantsaran'i Jesoa Kristy. Nafana tanteraka ny fiarahana satria saika ireo hira efa nahalalana ny tarika tao anatin’izay fotoana lava nijoroany izay no nokaloina teny an-tsehatra ary tao anatin'ny ravaka sy fanamafisam-peo raitra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny Gadhona Artistika no tompon’ny fety fa vahiny nasaina manokana koa ny andrarezin’ny mozika evanjelika izay nanana ny lazany taloha ary tsy mbola lefy laza hatramin’izao dia Ny Mpitory. Ny masoandro maty no nampalahelo fa tena nafana araka ny nandrasan’ny maro azy ny ambiansa satria samy naneho ny maha izy azy ny roa tonta, hoy ny fanehoan-kevitra voaray. Nisy ihany koa ny vazo niarahan'ny roa tonta nikalo. Ankoatra izay, isan’ny tsangambaton’ny faha 20 taona ny rakikira natao anaty «Clés USB». Ahenoana hira maro amin’ny karazana gadona maroloko toy ny milantolanto sy ny mihetsiketsika ao anatin’izany. Amin’ny ankapobeny dia i Rakotoarijaona Julien no mpamoron-kira sady manajeran'ny tarika. Tsy nijanona tamin’iny seho iny ihany ny fankalazana fa mbola hitohy amin’ny toerana izay hafa ary misokatra amin'izay mangetaheta izany rehetra ny fiaraha-miasa. Teny faneva nosafidiana ny voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin'ny Isaia 43 : 21, manao hoe «Izao olona noforoniko ho ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy», hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.