kolontsaina

Faha-15 taonan’ny RDJ Hivazo ny tsara indrindra ry Ambondrona


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Ny jolay 2003 no nahenoana voalohany ny onjam-peon’ny tanora na RDJ. Nanamafy ny fanazavany toy ny tamin’ny 15 taona lasa ny filoha tale jeneralin’ity onjam-peo ity, Tahiana Rasolojaona na Jay Taxx, omaly, tetsy amin’ny Le pave Antaninarenina.

 

Natao ho an’ny tanora sy ireo tanora fisainana, hoy izy, ny RDJ. Maro moa ireo hetsika voalaza hitetezana ny nosy hanamarihana izay tsingerintaona izay, toy ny fanombohana izany etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny zoma izao miaraka amin’ireo mpikosoka kapila 12 lahin’ny RDJ’s team sy ireo mpanakanto tsy ampoizina. Hisy koa any Mahajanga ny herinandro manaraka io, raha ny fanazavana, ary any Toamasina ny 17 oktobra. Efa lany kosa ny tapakila hidirana hijery ny tarika Ambondrona etsy Mahamasina ihany ny alahady izao. Ireo hiran’izy ireo tsara indrindra tao amin’ity onjam-peo ity nandritr’izay 15 taona izay moa no ho lalaovin-dry zalahy ireto amin’io fotoana io, raha ny nambaran’i Jay Taxx hatrany. Ankoatra ireo moa dia hikarakara hetsika ara-panatanjahantena , basikety ny marimarina kokoa, ho an’ireo tanora latsaky ny 23 taona ihany koa ity onjam-peo ity ny sabotsy 29 septambra ka hatramin’ny alahady 14 oktobra izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT