kolontsaina

Faha 105 taonan’i Dox Tsotsotra ny lanonana teny Andohalo


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

13 janoary 1913 – 13 janoary 2018, feno 105 taona ny sabotsy teo ilay poeta malagasy malaza, Jean Verdi Salomon Razakandraina na i Dox.

Teraka tao Manakavaly ny tenany ary nodimandry ny 12 jona 1978 teto Antananarivo, raha ny raki-tsoratra momba ny tantarany. Tsotsotra ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany tetsy Andohalo, izay fonenany fahavelony, ny sabotsy teo. Anisan’ny hita nanotrona teny an-toerana ireo mpianakavin’ny poeta sy ny tontolon’ny teny Malagasy toy ny jeneraly Desiré Ramakavelo na i Madera sy ny mpanabe William Ratrema, ny solontenan’ny Akademia Malagasy sy ny avy amin’ny tanànan’Antananarivo ary nitarika ny lanonana ny minisitry ny kolontsaina Jean Jacques Rabenirina. Notokanana tamin’io fotoana io ny fefy namefena ny zaridaina fahatsiarovana ity andrarezina ity. Ankoatra ny asa sorany tamin’ny teny malagasy dia nanoratra tamin’ny teny frantsay ihany koa i Dox. Nanan-talenta teo amin’ny sary hosodoko ihany koa anefa ny tenany. Ny tononkalo sonnet no tena nanavanana azy dia ny4-4-3-3

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT