Ny hira ara-pilazantsara no hahafantaran’ny maro ny Tarika Zarah . Anarana notsoahina avy amin’ny hoe : « ZARAina ny Hafatra » ny hafatra io hoe « Zarah » io.
Mandia ny faha-10 taona nijoroany amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira arahana tantara kely rakotra hatsikana (Comédie musicale) eny an-tsehatra, ary ravahana soradihy kanto sy mendrika ity tarika ity ankehitriny. Tsy avela handalo fotsiny izany, hoy i Aina lehiben’ny tarika fa homarihana amin’ny alalan’ny seho goavana, hotanterahana ny tontolo andron’ny Alahady 03 septambra ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Masera Fenoarivo. Hiara-dalana amin’ity fampisehoana ity ny famoahana ny kapila mangirana mirakitra ny maharana faha-4 amin’ny voka-kanton’ny tarika, izay hirakitra sangan’asa miisa 09. « Alaivo ny anjaranao », io no anarana nasalotry ny tarika Zarah ity vokatra ity ary ampitondraina ihany koa ny rindran-kira entina hanamarihana ny faha- 10 taona. Sedra sy fitsapana maro no efa nolalovan’ity tarika ity tao anatin’ny 10 taona nikirakirana ny mozika ho fitaizam-panahy sahaza ny isan-tokonana. Ampahany tamin’izany ny fiatrehana ny fanafihan-dahalo tany Atsimon’ny Nosy sy ny setrasetran’ny Mpamosavy. Tsy natao hahakivy ireny, hoy i Aina fa vao mainka mamporisika anay hanatontosa bebe kokoa hatrany ny asa fitoriana amin’ny alalan’ny hira, fihetsika ary dihy. Hanotrona ny tarika Zarah eny Fenoarivo ny Groupe Ba, TMJ, Rija Rakoto, Ny Avo ary mpanakanto evanjelika tsy ampozina maro. Jean D. Zarah, Zanaky ny fiangonana FJKM ry zalahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.