kolontsaina

ERIC FOU HEHY Efa nivoaka ny hopitaly saingy mbola manaraka fitsaboana


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Taorian’ny nitazonana an’i Eric fou hehy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha noho ny aretin’ny voa mahazo azy dia efa mihatsara tanteraka ny fahasalamany ankehitriny. Efa nody any an-tokantranony izy fa mbola manaraka fitsaboana hatrany.

Tsy nety taminy mantsy ilay efitrano nisy azy ka vao mainka nampihetsika be ny allergie-ny raha araka ny fantatra. Manao dialyse in-telo isan-kerinandro  i Eric  raha araka ny fanazavan’ny vady andefimandriny. Noho izany,  mbola mitohy hatrany ilay hetsika tolo-tanana nokarakarain’izy ireo ho an’ireo izay mbola vonona ny hanampy sy hanohana. Mikasika ny fandehanana hivoaka any ivelany  hahafahana manao ilay transplantation na  grefin’ny voa dia fantatra fa efa eo am-pelatanan’ny fitondram-panjakana ny taratasy rehetra mifandraika amin’izay. Raha tsiahivina, manodidina ny 250.000 Ar  ny manao dialyse ho an’olona iray marary voa amin’izao eto amintsika. Manodidina ny 70 tapitrisa Ar kosa ny vola ilaina raha hanao transplantation izay vahaolana hany tokana hahafahana miady tanteraka amin’ity aretina iray ity.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT