Edisionina Hay-sary

«Hamerina indray ny hasin'ny tantara an-tsary malagasy»


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Efa ho iray taona mahery izay no nisian'ny Edisionina Hay-sary, izay mamerina

indray irony tantara an-tsary na «Bande dessiné» malagasy tahaka an-dry «Benandro» sy «Koditra» ary «Komando» taloha irony, hoy ny mpamorona, Jary Andriamirija. Maro ireo boky efa navoakan'ny Hay-sary toy ny «Fanaiky», «Melisy», «Romantika Gasy», «Maditra», «Kenji», hoy izy, ka hamerina indray ny hasin'ny tantara an-tsary malagasy izay very tanteraka ny antony. Ankehitriny koa dia efa mihazakazaka loatra ny fanatontoloana ka mba hisintomana ny sain'ny tanora mba ho tia hamaky boky ihany koa no antony tena namoahana ny boky. Anisan'ny mpamorona ny ankabeazan'ny sary sy tantara ao i Jary Andriamirija, izay sady mpihira no namorona ny tarika 3 isan-jato. Tanjona ny hiparitahan’ny boky manerana ny nosy. Eo koa nefa ny fanentanana ny rehetra hiverina hankafy vaky boky. Ezaka hatrany ny hanome ny tsara indrindra ho an’ireo mpankafy tantara an-tsary na koa ireo vao sambany hamaky izany. Eraky ny kiosika sy ao amin’ny «Pavillon numéro 1» Ambohijatovo no fivarotana ofisialy ho an’ny eto Antananarivo fa efa misy koa any amin’ireo faritany toa an’i Toamasina, Mahajanga, Mampikony, Ambositra, Miarinarivo, hoy hatrany ny fanazavàn’i Jary Andriamirija ny sabotsy teo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT