Dr Ny Hasina Ratsimbazafy

«Fitiavan-tanindrazana farany kely ny


  • Alatsinainy 30 Jona 2025

fampiasanao ny teninao amin’ny firenen-kafa!»

Niezaka nampianatra ny tontolon’ny teny malagasy tao anatin’izay iray volan’ny teny malagasy izay na ny tety anivon’ny oniversiten’Antananarivo na ny sampana malagasy, ny fampianarana literatiora mampiasa izany teny malagasy izany, hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny literatiora eny amin’ity oniversitem-panjakàna eny Ankatso ity, Dr Ny Hasina Ratsimbazafy. Tahaka izany koa, hoy izy, ny minisitera sy ireo fikambanana mivoy ny kolontsaina malagasy be dia be. Hita ho misy tokoa ny fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy, tamin’ny ankapobeny, raha ny firoborobon’ireny fikambanana ireny. Eo ihany koa ireo fikambanana ara-drazana isan-karazany izay mbola ao anatin’izany avokoa. Eo ny teny malagasy. Eo ny teny tranainy isan-karazany mbola miasa anivon’ireny kolontsaina isan-karazany ireny. Eo ny akademisianina. Marobe ireo sehatra miasa ao anatin’izay tontolo izay saingy manoloana ny fanatontoloana dia tsy lavina fa marobe koa ireo malagasy tia kokoa ny teny vahiny mihoatran’ny fampiasàna ny teny malagasy. Miditra be dia be eto ny politika momba ny teny. Manao izay ho afany mihitsy miaraka amin’ireo ambasadiny ireo ny vahiny mba hampiroboroboana ny teniny eto amintsika. Irariana koa ny fitondràna malagasy mba hanampy ireny ivotoerana rehetra mampiroborobo ny teny malagasy ireny, hanampy ny anjerimanontolo, fikambanana samihafa mba hampiroborobo ny teny malagasy eto aloha ary tsy mijanona eto ihany fa hatrany am-pitan-dranomasina any. Indraindray ny ray aman-dreny ao an-trano mihitsy no miezaka tsy hampiteny teny malagasy ny zanany. Tsy lavina toy ny fianarana informatika ny fianarana teny vahiny satria ny teny koa dia fitaovana. Maha izy antsika kosa ny teny malagasy. Fototra nihavianao ny teninao, ny taninao, ny kolontsainao. Tokony tsy hisaraka ireo. Tokony atao politika ny fanampiana ireo fikambanana kely be dia be mivoy ny fanabeazam-boho io teny malagasy io satria ny ankamaroan’ireny dia tsy dia mikarama amin’io loatra. Miezaka nefa zareo mivory etsy sy eroa ary mitahiry ireny teny tsy fampiasa any anaty rakibolana na amin’ny tantara an’onjapeo ireny. Miari-tory ny mpanoratra an’ireny mba hitehirizana ilay teny malagasy. Isan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany teny. Ireo firenena tatsinanana ireo akory tsy hoe tsy mahay tenim-pirenena hafa fa rehefa tonga any aminy ianao dia miteny amin’ny fiteniny izy ary ianao akàny mpandika teny mihitsy raha tsy mahazo ny teniny fa tsy hoe ilay mpitondrany indray no andeha hikabary amin’ny teninao. Endrika fitiavan-tanindrazana farany kely ny fampiasanao ny teninao amin’ny firenen-kafa! Miainga amin’ny fihetsika kely toy ireny no atao hoe fitiavan-tanindrazana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT