Doubl’enn

«Aza adino ilay tena maha malagasy antsika any anaty any!»


  • Talata 29 Oktobra 2024

Efa tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny kolontsaina maneran-tany,

hoy ny mpanakanto, mpiangaly Rap gasy, Doubl’enn na Johaness Patrick, satria raha tsy hiresaka fotsiny isika hoe misy ireo fahitalavitra na «chaine» be dia be efa tonga fotsiny ho azy amin’izao eto Madagasikara amin’ny alalan’ireo satelita ireo. Be dia be izany, hoy izy, ny vokatra sy kolontsaina avy any ivelany tonga eto amintsika ary manova tsikelikely ny toetsaintsika. Tsy misy na inona na inona azo atao amin’izay afa-tsy ny fananana fisokafana amin’izany angamba! Raha ohatra izany izao any ivelany efa be dia be ny lehilahy tia lehilahy manao Rap dia efa fiovana hafa mihitsy izao izany raha ohatra ka izahay taloha tsy izany. Fanatontoloana moa no filaza azy ary tsy ho voasakana mihitsy io fanatontoloana io satria na any ambanivohitra be aza izao efa misy tambazotrana satelita. Tonga avy any izany ilay kolontsaina avy any ivelany dia tsy maintsy mifanena amin’ny kolontsaintsika. Izaho tsy hitsara hoe mety ve sa tsy mety fa anjaran’ny tsirairay amiko no mivoatra araka ny tiany hivoarana eo amin’ny fiainana. Any anaty mozika izy dia hoe ataovy ny mozika fa aza adino ilay hoe inona no tena maha malagasy antsika any anaty any na dia misy an’izany rehetra izany aza! Betsaka ilay tsindry ara-kolontsaina avy any ivelany dia eo afovoanin’izany rehetra izany ilay malagasy sy ny kolontsainy ary ny maha izy azy. Manana fari-pahatakàrana amin’ny mozika na «intelligence musicale» ambony be ny malagasy. Rehefa haintsika ny mampihatra an’izay amin’ny fivelarana tiantsika hitondrana azy dia tsy misy afaka hifampitsàra hoe ny an’iry no mety na ny an’itsy tsy mety fa samia mitady izay mampety ny fiainany! Maromaro ny praograma ho an’i Doubl’enn ato ho ato. Efa hatramin’ny septambra teo moa no nisy filazàna hoe hisy fandaharana maromaro amin’ity hatramin’io taona vaovao hoavy io. Ny 23 novambra izao hisy seho ho ataon’ny Doubl’enn manokana ao amin’ny CFM Analakely. Andro sabotsy io manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Misy hetsika samihafa koa miaraka amin’izay. Misy hetsika handraisanay anjara koa amin’ny desambra. Hoavy ny rakikira maromaro ny faraparan’ny taona sy fanombohan’io taona hoavy io, hoy hatrany ity mpanakanto ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT