kolontsaina

Dina tsy nifanaraka tamin’ny hetahetan’ny fokonolona Nidina an-dalambe ny mponin’Ankililoaka


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Tohin’ny raharaha famonoan'olona tamin'ny volana septambra 2022 lasa teo tao amin'ny kaominina Ankililoaka, Distrikan'i Toliara II,

faritra Atsimo Andrefana dia nidina amin'ny arabe ny fokonolona noho ny dina izay tsy nifanaraka tamin'ny hetahetan'izy ireo, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Efa tratra ireo olona izay voakasik’ity famonoan'olona ity ka niditra an-tsehatra ireo tomponandraikitra avy amin'ny Dinabe. Efa milamina ny raharaha araka ny tatitra voaray taorian'ny fidiran'ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra mba hiverenan'ny filaminana amin'ny laoniny ka hitohizan'ny fiainan'ny mponina toy ny andavanandro indray ny folak’andron’io sabotsy teo io hatrany. Ny maraina moa no nisian’izay fidinana an-dalambe izay, hoy ny fanamarihana voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT