Dikan’ny hasina

«Tsy mazava amin’ny ankizy maro intsony»


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Ny zavatra atao raha vao tsy omena hasina dia tsy misy lanjany, tsy misy antony ary misy dikany,

hoy ny kintan’ny taranja Tennis malagasy teo aloha, Dally Randriantefy. Mba hanontanio ny ankizy manodidina anareo hoe midika inona izany hoe hasina, hoy izy, mba dinihina ny valiny? Ny dikan'ny hasina dia efa tsy mazava amin'ny ankizy maro intsony. Ilay fanomezan-kasina ny mahaolona, ny fanaovan-javatra ary ny zava-drehetra manodidina ny tsirairay io mihitsy no tokony hiverenana ifotony. Tsy ho anatin'ilay foto-pisainana sy toetsaina mendrika tadiavina mihitsy ny ankizy raha tsy azon'izy ireo ny dikan'ny hoe Hasina sy fanomezan-kasina ny tontolo rehetra. Atao mazava fa tsy ny any am-piangonanana irery ihany no manan-kasina akory fa manomboka amin'ny tena ary miitatra amin'izay manodidina ny tena rehetra na hevitra io na manana aina na zavatra atao. Soa fa mbola betsaka ireo olona mitondra ny anarana hoe Hasina. Tsy very izany izy io fa adino amin'ny andavan'andro. Matetika koa tsy azon'ny olona maro mazava tsara hoe inona izy io, hoy hatrany izy?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT