kolontsaina

Diany teto Madagasikara Nisaotra manokana ny Filoha i Nocembo


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Nankasitraka an’i Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa

 

 

 

rehetra izay nahatontosa soa aman-tsara ny diany teto Madagasikara i Nomcebo Zikode Mpanakanto Afrikanina Tatsimo fantatra amin’ilay hira hoe” Jerusalem”, araka ny fanambarany tamina horonantsary omaly maraina. Mankasitraka indrindra ny Malagasy rehetra amin'ny fandraisana sy ny fanohanana, hoy izy. Teny amin'ny Coliséum no namaranana ny seho sy ny diany teto Madagasikara i Nomcebo Zikode omaly, taorian’ny tany Sambava, Toamasina, Mahajanga,...Hatreto, mbola mikatona ny sisin-tanin’i Madagasikara, araka ny fepetra napetraky ny Fanjakana ka mampihatra izany ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Isan’ny nampahatsiahy an’io ny Masoivoho Malagasy any Frantsa ny herinandro teo, fa tsy mampody teratany Malagasy avy any. Na misokatra aza i Nosy Be dia natao ho an’ny Mpizahatany ihany, ary tsy afaka miala ao amin’io Nosy io ny mpizahatany. Tonga tany Nosy Be ny 10 novambra i Nocembo Zikode, ary avy eo tonga taty amin’ny Nosy lehibe. Tsy mandeha ho azy, fa manampahefana no nanamora ny fidirany, ary toa efa mazava izany ny resaka raha raisina amin’io, fa ny Fanjakana Foibe no isan’ny nanamora ny fidirany teto. Ny mpitondra faratampony eto amintsika no zary mpanome leson-dratsy rehefa dinihina amin’io, ka hafa ny lazain’ny vava, ary hafa ny tanterahina. Toa miverina hatrany ilay hoe: ny alahady manentana amin’ny fanaovana arovava orona, fa ny talata dia miseho imasom-bahoaka tsy manao. Voarara ny fivorivoriana mihoatra ny 200, fa ny mpitondra no mampiditra mpanakanto vahiny hampitangorona vahoaka. Toa niniana natao mihitsy hoenti-manary dia saim-bahoaka eo anatrehan’ny zava-misy tsy mandeha amin’ny laoniny. Ny mpanakanto Malagasy anefa maro no nitaraina ho nogafiana sy norarana. Sady mandeha ny tari-bato vilam-bava no miharihary ny mizana tsindrian’ila. Atao mahagaga ve raha tsy mino sy tsy miraharaha izay lazain’ny mpitondra ny vahoaka ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT