kolontsaina

Diaben’ny Kolontsaina Eto Antananarivo ny sabotsy sy alahady izao


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Hotanterahina ny 16-17 mey izao eto Antananarivo ny diaben’ny Kolontsaina, hiainga eny Anosy sy Mahamasina ary ny manodidina.

 Hisongadina ny resaka kolontsaina mampisongadina ny faritra maro, ary horavahan’ny fampisehoana lehibe hataon’ny tarika Samoela sy Mage 4, ampian’ny mpanakanto hafa toa ny Jazz Quart, Tsilopla, Dodol. Mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra, dia hisy ihany koa ny karazana tsenabe sy lalao samihafa ho hita mandritra ny hetsika, ary hisongadina ny fametrahana toerana hahafahana manaraka mivantana ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny baolina kitra. Homena vahana ao anatin’ny fampirantiana manasongadina ny faritra maro manerana ny Nosy ny resaka kolontsaina sy ny toekarana, ary tsy latsa-danja ny fampahafantarana ireo toeram-pizahantany samihafa hita eto Analamanga, eny fa hatrany amin’ny faritra hafa amin’ny maha ain’ny toekarena Malagasy ny fizahantany. Nanome toky ny hahamatihanina tanteraka ny zava-drehetra moa ny avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga na ny ORTANA, izay naneho fa maro ireo toerana kanto sy raitra na eo amin’ny resaka fomba amam-panao na ny famokarana, toa an’Ambatomanga malaza amin’ny fromazy, Talata Volonondry fantatra amin’ny fanamboarana koba,… raha ny fanazavan’i  Harimisa Razafinavalona avy amin'ny ORTANA. Ho matihanina tanteraka ny tranoheva maro hoenti-maneho ny fampirantiana ara-kolontsaina sy ara-toekarena, raha ny fanazavan’i Harilala Ramanantsoa. Tsy hambakan’izany ny seho ara-java-kanto sy ara-kolontsaina, izay i Samoela no hiahy bebe kokoa azy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT