Depiote Rossy_Rindran-tsary lasa resabe

«Ataovy lesona fa tsy gaigy daholo ireo manoratra ireo »


  • Talata 12 Martsa 2024

Niteraka adihevitra samihafa ilay rindran-tsary na « clip »

nataona andiana tanora, nanova ny fomba fihirana ilay hiram-pitoloman’ny RMDM « Mitsangana ry Tanora ». Betsaka ny tsikera nivaivay, tsy fankasitrahana ny ankamaroany. « Saika hiteny aho saingy ampy isainan’izay nanao azy ny « réactions »-n’ny olona zato isan-jato manompa reny ato amin ny facebook. Vakio fotsiny ny « commentaires » dia ataovy lesona fa tsy gaigy daholo ireo manoratra ireo. Ohatr’izay koa ny mahazo ny mpanao propagandy mizara koveta sy manao selfie am-body fako ato,... Ompa variraraka tsy misy sitraka mihintsy. », hoy ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, izay sady mpanakanto rahateo. Tsara ny manamarika, fa raha ny hita tany aloha sy ny mombamomba ireo lohandohan’ny mpisorona nanao io fikitihana io hira io, dia olona akaiky sy niara-niasa tamin’i Andry Rajoelina Filoha ankehitriny tamin’ny hetsika ara-pivavahana samihafa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT