kolontsaina

Dama sy Bekoto Hampirevy Mahaleo ao Fianarantsoa


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Mialohan’ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny tarika Mahaleo dia niangavy ry zareo any Fianarantsoa hoe mba hasiana revy Mahaleo koa any mialohan’izay, hoy I Dama sy Bekoto,

izay akanga sisa nanamboran’ny tarika Mahaleo omaly. Ao Alasora, kianjan’ny fo masin’I Jesoa Kristy ao Fianarantsoa no fotoana nifanomezanay sy Bekoto hampirevy Mahaleo any an-toerana ny faran’ny volana oktobra ity, noho izany, aloha, hoy I Dama, satria mba te hiaina mialoha io ambiansy ho entina eto Antananarivo io koa ry zareo. Hisy fahasamihafany amin’ny ao Antsahamanitra anefa ny fampisehoana fa io tsy azo atao dika mitovy toy ny kara-panondro, hoy izy mirahalahy. Hampiakarinay koa ny mpanan-talenta any an-toerana. Ity sy ny ao Antsahamanitra izany aloha dia famaliana ny antsonay hoe “Ianareo ve hijanona sa iaraka aminay” mialohan’ny fanomanana ny faha 50 taona ho atao amin’ny herintaona. Miankina amin’ny antson’ny faritra hafa ny tohin’ny fitetezam-paritra, hoy hatrany I Bekoto sy Dama.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT