Tranga hafa kely no niseho teny Andrainarivo ny sabotsy 20 janoary lasa teo. Mpanakanto eo amin’ny sehatry ny mozika no nahafantaran’ny maro an-dRasolofondraosolo Mahaleo na Dama fa sambany kosa izy tamin’io andro io no niditra teo amin’ny sehatry ny kabary. Sambany teo amin’ny fiainany ihany koa no nangata-bady izy.
Tsy fangataham-bady toy ny mahazatra anefa fa mpivady tsy mitovy fiaviana ary samy manana ny kolontsainy no natambany. Teratany Indien (karana ray sy reny) i Issaak Ikbal ary efa niaina teto Madagasikara ireo Ray aman-dreny nipoiran’izy ireo. Tany Fianarantsoa ny fianakavian’ny rainy ary tany Antsirabe kosa ny fianakavian’ny reniny. Mbola mitana ireo fitafy nentin-drazana karana ny fianakavian’ny tovolahy nandritra ny fangataham-bady. Ny karana izay fantatra fa tsy manambady ivelan’izy ireo. Misy ra sinoa kosa ao amin’i Ny Arintsoa Antso Loren. Leong My Tsang Michellà no anaran’ny reniny ary manana fiaviana avy eny Ambohimalaza ihany koa. Razakamanantsoa Rakotondrainitsimba Raboay kosa no rainy izay manana fiaviana avy eny Anjazamarolahy Ambohimanga Rova. “Tena hafa ny tranga atrehiko androany satria dia olona avy any Inde sy avy any Chine no atambatro eto Madagasikara. Firenena samy manana ny kolontsainy nefa natambatry ny fifankatiavana”, araka ny fanamarihan’i Dama. Tamin’ny fomba Malagasy tanteraka no nanatanterahana ny fangataham-banambadiana ary hita taratra tao avokoa ny fomba fanaon’ny Malagasy amin’ny tranga toy izao. Mpinamana efa hatramin’ny fahazaza i Maharo (zanak’I Dama) sy Issaak Ikbal, ary ny fifandraisan’ny roa tonta no nahatonga ny fianakavian’I Ikbal niantso azy hiatrika izao fomban-drazana Malagasy izao. Toy ny mahazatra amin’ny fomba Malagasy dia hita taratra tamin’ity fanambadian’ny sinoa sy karana ity ny fanomezana hasina ny Ray aman-dreny, ny “tapimason’anadahy” ary indrindra ny fanolorana solombodiondry, izay manamarika ny fangataham-panambadiana. Amin’ ny volana mey no hiroso amin’ny dingana manaraka eo amin’ny fanambadiana i Ikbal sy Loren.
Nirs
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.