kolontsaina

Dadagaby -Tarika Voninavoko Nindaosin’ny fahafatesana omaly maraina


  • Zoma 01 Jona 2018

Nindaosin’ny fahafatesana omaly alakamisy 31 mey maraina tokony ho tamin’ny 5 ora, Rakotomavo Gabriel, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Dadagaby, angady nananana sy vy nahitana ny tarika miangaly ny vakodrazana,

Ny  Voninavoko. Raha araka ny fanazavan’Atoa Christian, zanany lahy, dia efa nihatsara i Dadagaby no izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Efa  nahavita niresaka sy namaly fanontaniana mantsy izy, araka ny fantatra, saingy mbola reraka. Omaly tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka anefa dia nambaran’ity zanany ity hatrany fa zary feno rehoka be ny tratrany, ka tsy hitahita akory dia nitarika ny fahafatesany. Mbola tao amin’ny efitrano fameloman’aina hatrany i Dadagaby tamin’io fotoana io. Eny amin’ny trano fonenany eny Ampitatafika ny razana no nandrasana, hatramin’ny omaly. Amin’ny alatsinainy ho avy izao kosa no haterina any amin’ny fasan-drazany any Alatsinaininambazaha ny nofo mangatsiakany. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Dadagaby.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT