CRM sy KMTM

Manohitra ny fanovana ny anaran’ny Boulevard Ratsimilaho


  • Zoma 05 Jolay 2024

Ho hetsika ara-kolontsaina maro lafy ho an'ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana na

manifestation culturelle multicolores pour l'unité et la fraternité nationale» ny endriky ny fankalazana ny taombaovao lohataona ho an'ny malagasy ny 6 hatramin'ny 11 septambra 2024 hoavy izao, ao Antananarivo, hoy ny tapaky ny fivorian’ny «Communauté Royale de Madagascar» na CRM sy KMTM, omaly 4 jolay 2024, raha ny fampitam-baovao voaray. Ny samihafa tanatin'io fivoriana io dia niresahana ny fanairana ny fanjakana foibe, indrindra, fa ny filohan'ny repoblika sy ny ao amin'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina momba ny tsy maha mety iny fangatahan'ny ben'ny tanànan'i Toamasina Renivohitra hanova ny anarana Boulevard Ratsimilaho, mpanjaka ray mpanorina ny Betsimisaraka ho an'ny anaran'ny filohan'ny Repoblika iny, hoy ny fanazavana. Inoan’izy ireo, araka izany, fa hihaino ny manam-pahefana tandrify io resaka io. Manohitra ny fanovana ny anaran’ity vakom-paritra ity, indray, araka izany, ireo mpiaro izany rehetra. Mampahatsiahy ny tabataba tamin’ny mbola fikasana hanova ny endrik’ireo tohatoha-bato teo Ambondrona sy Antaninarenina tamin’ny taona 2010 sy ny tamin’ny fikasana hampiditra «Colisée» izay kolontsaina grika sy raomanina tamin’ny 2020 tao anaty rovan’Antananarivo. Nananatra sy nitsikera moa ireo manam-pahaizana sy mpandalina ny atao hoe vakoka sy fomba ary tantara tamin’ireny fotoana ireny saingy ny nataon’ilay fitondrana ihany no nataony. Na ilay rovan’Antananarivo aza novany hoe rovan’i Madagasikara. Asa amin’ity na mbola ho fotsy rora toy ny tamin’ireny indray na tsia ireo heverina ho raiamandreny eto amin’ity firenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT