« COURSE KALESY » ENY ALAKAMISY

Namafisina ny fepetra, hoy ny Ben’ny tanana


  • Zoma 13 Jona 2025

Amin’ny datin’ny 25 sy ny 26 Jona ho avy izao ihany no hanatanterahana ilay

fifaninanana “Course Kalesy” ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Mendrika Rasolonirina. Horaofina avokoa izay kalesy mampiasa ny lalam-pirenena voalohany mandika io fepetra io, hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity ho fiarovana ny ain’ny olona. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nisy olona namoy ny ainy vokatr’ity fifaninanana « course » kalesy notanterahina teny Alakamisy ity tamin’ny tao-dasa. Nivoaka ny lalana voafaritra tokony nanaovana izany no voalaza fa antony nahafaty ilay mpitondra kalesy. Amin’ity taona 2025 ity kosa dia efa miara-miasa amin’ny zandary ny fiadidian’ny tanana ary efa misy ny lalana vitsivitsy voafaritra hanodinana ny fiara mampiasa iny lalam-pirenena voalohany iny mba hahafahan’ireo kalesy mandeha tsara. Notsiahivin’ny Ben’ny tanana moa fa anisan’ny fomba nahazatra tena nampahalaza ny mponin’Alakamisy ny fifaninana course kalesy hatramin’izay, indrindra fa rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona tahaka izao. Maro tamin’ireo Ray aman-dReny monina eny amin’iny faritra iny mantsy no nahita ny andefimandriny tao anatin’ny fifaninanana course kalesy….
Pati
Legende : Izy no Mendrika Rasolonirina, Ben’ny tanana voafidy hitantana ny Kaominina ambanivohitr’Alakamisy Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT