kolontsaina

“Colisée” naorin-dRajoelina Lasa tsangam-baton’ny fisaraham-bazana


  • Zoma 06 Novambra 2020

Resahina sy hakana doka ny resaka vako-pirenena. Nanaovana fandraisana makotrokotra ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjaka Ranavalona III omaly,

 

 hotokanana anio ny famerenana ny lapa Manjakamiadana sy Besakana, hotokanana ihany koa mazava ho azy ilay “Coliseum Romain” na ny Kianja Masoandro isan’ny lasa tsangam-baton’ny fisaraham-bazana raha jerena amin’ny adihevitra sy tsy fifankahazoana naterany. Manana ny heveriny fa fanomezana hasina ny vakoka ary mahatsapa fa nahavita be ny Fitondrana. Na izany aza, raha tena misy ny finiavana hanaja ny vakoka sy ny soatoavina Malagasy, ary nipetraka ho tena mpitarika (leader) sy Raiamandreny sy to teny, dia nahay nandamina sy namboly fampitovian-kevitra aloha. Zary lasa miorina ao anatin’ny lonilony sy hatezerana ny Kianja Masoandro, izay ambaran’ireo taranaky mpanjaka, fa tsy maintsy esorina eo fa sady fanontana fady no fanitsakitsahana soatoavina Malagasy sy Soatoavina Merina. Tonga hatrany amin’ny Fitsarana ny io raharaha io, izay nitorian’ny Antenimieran’ny Andriana ny Fanjakana nentina nanoherana sy nanakanana ny fitokanana hatao anio, saingy nilaza ho tsy mahefa ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana. Niroso amin’ny diany ny mpitondra, ary miezaka mampiseho sary manoratra tantara vaovao, mamerina ny fiandrianam-pirenena. Ny ankilany maneho, fa ny mpitondra miserana ihany, ka hikendry ny handrava izany na ho ela na ho haingana. Asa tena endriky ny fiandrianam-pirenena ve ny fisehon’ny zava-misy sa mihamafy sy mihalalina ny fahalovana sy ny lonilony ka miditra amin’ny fisaraham-bazana lalina ny firenena ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT