kolontsaina

Colisée anaty rova Ho tokanana amina andro manan-tantara


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Fandrendrehana saim-bahoaka indray ve sa fiantsiana ady ireo mitonona rehetra ho mpandala na mpandalina ny kolontsaina sy ny fomba ary vakoka no anton’ity

 

 

fanapahan-kevitra hitokana ny Colisée anaty rovan’Antananarivo ny 6 novambra izao ity? Iarahan’ny rehetra mahalala fa daty manan-tantara eo amin’ny firenena ny 6 novambra 1995. Izany hoe 25 taona amin’io fotoana io no nahamay ity rova ity. Ny Colisée izay averimberin’ireo mpandala sy mpandalina voalaza teo fa kolontsaina greko-raomanina ary tsy nisy ifandraisany na dia kely aza amin’ny tantaram-pirenena sy tantaram-paritra eto Madagasikara. Ry zareo milaza azy ho taranak’andriana moa dia mbola mamerina hatrany fa fanotana fady ny fametrahana ity foto-drafitrasa ity ao. Ny mpahay tantara sy mpahay vakoka efa nilaza fa fanolanana ny tantara izao mitranga izao. Saingy tsy nahasakana ny fitohizan’ny asa izany rehetra izany fa vita ny Colisée ary ho tokanana. Dia ho hita eo indray ny tohiny. ‘

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT