kolontsaina

CLIC Hamerina ny hasin`ny boky


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Namome fiofanana ny mpitantana trano famakiam-boky sy mpanentana ao aminy ny CLIC (Centre de Lecture, d’Information et de Culture) ka 30 mahery izy ireo no nisitraka izany.

 

 

 

 Naompana indrindra tamin’ny fampirindrana sy fampitoviana ny fitantanana an’ireo tranomboky natsangan’ny CLIC manerana an’i Madagasikara ka nojerena akaiky ny fomba hanatsarana ny fanentanana ny tontolo any ambanivohitra any mba hirona kokoa amin’ny famakiana boky ary indrindra ny famerenana ny hasin`ny boky. Teo amin’ity lafiny fanentanana ity dia nisy mpanoratra malagasy telo niara-niasa tamin’ny tompon’andraikitry ny CLIC. Tsy iza izany fa i Michèle Rakotoson, Ny Eja ary i Jeanne Ralimahenintsoa, izay haparitaka any amin’ny tambajotran’ny CLIC any ny sasantsasany amin’ny boky nosoratan’izy ireo. Marihana fa ny taona 2003 no niorina ny CLIC izay tambajotrana trano famakiana boky amin’ny teny frantsay miasa eny ambanivohitra. 25 no isan’ny tranomboky eo ambany fiahiany amin’izao fotoana izao ka saika manana ny azy avokoa ireo faritra misy eto Madagasikara ka maherin`ny 900 000 ny isan’ny mpikambana misoratra amin’ny CLIC. Nanatrika ny fotoam-pamaranana naharitra herinandro, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Horace Gatien tao amin'ny Infp Mahamasina, ny faran`ny herinandro lasa teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT